Angela Merkel: Tratran'ny bemangovitra

  • mercredi, 10 juillet 2019 20:27
  • Tigre
  • Sary nindramina

Nandritra ny fandraisana ny praiminisitra finlandais, Antti Rine, androany, no tsy nitsahatra nangovitra ity chancelière allemande ity.

Fanintelony izao tao anatin'ny iray volana.

Mametram-panontaniana ny maro amin'ny fahasalaman'i Angela Merkel, raha manamafy izy fa tsy misy atahorana ny fahasalamany.

Ny volana oktobra tamin'ny taon-dasa moa no efa nilazany fa tsy hitantana ny antoko CDU intsony izy, raha 18 taona no nitaritany izany antoko politika izany, ary dia tsy hanavao ny filatsahany ho chancelière intsony, fa dia hijanona izy rehefa vita ity taom-piasany ity, ny taona 2021.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.