Ambanja:Tsy misy jiro, tsy mahita CAN

  • samedi, 29 juin 2019 18:15
  • Britto

Tapaka efa nanomboka tamin'ny 5ora sy sasany maraina ny jiro eto Ambanja, renivohitr'i Sambirano. Tsy fisian'ny solika no voalaza fa antony.

Mandany solika (gazoala) 7600 litatra isan'andro ireo milina mpihary herinaratra miisa telo an'ny JIRAMA eto Ambanja.

1800 kWh ny filana herinaratra amin'ny fotoana mahabe mpampiasa jiro, ka milina telo no miara-mandeha amin'izay. 1000 kWh kosa ny filana amin'ny ankoban'andro.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.