Andrapengy- Antalaha: Vehivavy iray avy namonjy « bal » maty novonoin’ny andian-jatovo tsy ampy taona

  • vendredi, 28 juin 2019 22:10
  • Britto

Avy namonjy alimpandihizana ny alin’ny 25 hifoha ny 26 jona tao amin’ny Fokontany Andrapengy, Kaominina Ampahana, Distrika Antalaha, Faritra SAVA, ity renim-pianakaviana fantatra amin’ny anarana Juliette ity, no nisy namono, raha iny hamonjy fodiana iny.

Ny fitsirihana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo no nahafantarana fa maty nisy namono i Juliette, ary namela kamboty 5 mianadahy.

Omaly ihany dia efa nisy ny voasambotra tamin’ity vono olona ity, ka ankizy tsy ampy taona, 17 sy 16 taona ny roa tamin’ireo voarohirohy. Nitsoaka any amin’ny Distrikan’i Sambava ny roa hafa naman’izy ireo, ary efa mandeha ny fikarohana amin’izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.