Ambatofinandrahana: Vinavinaina hiverina amin’ny laoniny anio ny famatsiana herinaratra

  • vendredi, 28 juin 2019 09:14
  • Britto

Tapaka nanomboka omaly alakamisy 27 jona 2019 tamin’ny 07ora maraina ny jiro aty an-tampontananan’Ambatofinandrahana sy ireo faritra manodidina azy akaiky.

Fahasimban’ireo milina lehibe mpamokatra herinaratra ao amin’ny toby famokarana no voalazan’ny Jirama fa nitarika io fahatapahan-jiro io.

Amperiny tanteraka amin’ny asa fanarenana ny simba ny ekipa teknikan'ny Jirama amin'izao fotoana izao, ka vinavinaina hiverina amin’ny laoniny amin’ity antoandron’ny zoma 28 Jona 2019 ity ny famatsiana herinaratra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.