Madagasikara: Mankalaza ny fetim-pirenena

  • mercredi, 26 juin 2019 14:46
  • Britto

Mitsingerina anio 26 jona 2019 ny faha-59 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara sady fetin'ny foloalindahy ihany koa.

Vahiny manokana nasain'ny fiadidiana ny Repoblika amin'izao fankalazana ny fetim-pirenena izao ny filohan'i Rwanda, Paul Kagame.

Hanamarika ny fankalazana ihany koa ny fandraisan'anjaran'ny Tafika avy atsy Maorisy, Kaomoro ary avy amin'ny FAZSOI atsy La Réunion amin'ny matso hatao etsy Mahamasina anio tolakandro.

Haseho mandritra izany matso izany ihany koa ireo fitaovana vaovao toy ny fiaramanidina, angidimby, fiara, azon'ny foloalindahy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.