Ankorondrano-Antananarivo: Nisy nanafika ny toby mpaninjara solika Galana

  • mercredi, 26 juin 2019 13:57
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary

Norobain'ny jiolahy mitam-basy ny vola tamin'ireo "pompistes" sendra niasa teo amin'ity toby mpaninjara solika an'ny orinasa Galana eo Ankorondrano-Antananarivo ity. Voaroba ihany koa ireo fiara tonga hanampy solika teo amin'ity tobin-dasantsy ity.

Nirifatra nitsoaka tamin'ny scooter ireo jiolahy taorian'ny fandrobana nataon'izy ireo.

Tamin'ny fotoana mbola mampisomebiseby ny olona manao arendrina ny 25 jona 2019, nanodidina ny tamin'ny 7ora sy sasany hariva, no nisehoan'ny fanafihana. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.