Tsy nahaverim-bola: Nogiazana ny fananan'ny Pastera

  • lundi, 24 juin 2019 10:42
  • Britto

Hagagana ny an'ny mpino ao amin'ny fileovana sahaniny nahita ny vadintany sy Polisy tonga teo amin'ny tranon'ny Pastera, ny Alarobia lasa teo, hampihatra didim-pitsarana.

Nindram-bola mitentina 5,6 tapitrisa Ariary tamin'ireny fampindramam-bola madinika ireny ingahy Pastera. Tsy voaveriny tamin'ny fotoana nifanarahana tokony namerenana azy anefa ny vola.

Tonga hatreny amin'ny Fitsarana ny raharaha rehefa tsy hita ny vahaolana, ary tonga tamin'izao fanagiazana ny fananan'ny Pastera izao.

Mikasa hirotsaka hofidiana Ben'ny tanàna amin'ny fifidianana ho avy eo ilay Pastera. Voalaza fa nividianany fiara 504 bâché sy moto, mety ho fiomanany amin'io fifidianana io ny ampahan'ny vola nindraminy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.