Hugues Ratsiferana: Nivoaka ny fonjan’Antanimora omaly

  • samedi, 08 juin 2019 13:56
  • Britto
  • Sary nindramina

Voampanga ho nanodinkodina fananam-panjakana ity mpanolontsaina manokan'ny filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina sady Tale jeneralin’ny AMDP (Agence Malagasy de Développement Economique et de Promotion d'Entreprises) ity. Famoahana entana tao Ambohitsorohitra tamin’ny faramparan’ny volana janoary 2019 no nanenjehana azy.

Nosamborina i Hugues Ratsiferana sy mpiara-miasa akaiky aminy iray ny 1 febroary 2019, ary natao famotorana avy hatrany tao amin’ny Toby Ratsimandrava. 3 febroary 2019, nilatsaka ny didy savaranonando mitazona am-ponja azy. Nalefa teny Antanimora izy, miandry fitsarana.

Nivoaka ny didim-pitsarana ny 19 febroary 2019, manasazy an’i Hugues Ratsiferana herintaona an-tranomaizina, sazy mihatra miampy onitra 5 tapitrisa Ariary.

Nampakatra ny raharaha tamin’ny Fitsarana ambony izy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.