Theresa May: Handao tanteraka ny toerana maha praiminisitra anglisy azy

  • vendredi, 07 juin 2019 19:44
  • Britto
  • Sary nindramina

Andranomaso no nanambaran’i Theresa May, tamin’ny 24 mey 2019, fa mametra-pialana tsy ho praiminisitra ny tenany ary tsy ho mpitantana ny antoko « Conservateurs » any Royaume Uni. Mihatra manomboka anio 7 jona 2019 io fametraham-pialany io.

Taorian’ny fitsapankevi-bahoaka tamin’ny 2016 hisintahan’ny Anglisy eo anivon’ny Vondrona Eorôpeana no nitarika an’i Theresa May, minisitry ny Ati-tany tamin’izay, ho eo amin’ny toeran’ny praiminisitra.

Tsy naharesy lahatra ny Parlemanta anefa ny drafitra narosony ho fanatanterahana an’io fisintahana io. Telo taona ngarangidina nihodinkodina teo, hany ka naleony nametra-pialana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.