Ambositra: Efatra nidoboka am-ponja nanao hosoka tamin’ny fifidianana

  • vendredi, 31 mai 2019 16:00
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Hosoka tamin’ny fifidianana niseho tany amin’ny Kaominina Antoetra – Distrika Ambositra no nisamborana azy ireo. Tany an-tranon'olotsotra no tratra ireo fitanana an-tsoratra tamin’ny fifidianana solombavambahoaka natao tamin’ny alatsinainy 27 mey 2019, miaraka amin’ny vata mangarahara sy fitaovana hafa.

Omaly hariva no niakatra fampanoavana teto amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Ambositra ny raharaha. Notanana am-ponja vonjimaika ny efatra tamin’ireo voarohirohy, anisany ny tompontrano, mpiray lisitra amina kandida, ary olona roa hafa nahazo fahafahana vonjy maika.

Tomefy olona maro nanoloana ny Lapan’ny Fitsarana omaly nanaraka ity raharaha ity, na dia efa alimbe aza vao nivoaka ny didy savaranonando itazomana am-ponja azy ireo miandry fitsarana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.