Disadiam-pifidianana: Hatao « autopsie » ilay tovolahy maty nisy nidaroka raha avy nifidy teny Ambohipotsy

  • vendredi, 31 mai 2019 14:21
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nindaosin’ny fahafatesana ny harivan’ny alakamisy 30 mey 2019, ilay tovolahy iray niharan’ny herisetra rehefa avy nifidy teny Ambohipotsy – Antananarivo faha-2 ny 27 mey 2019.

Naratra mafy ary tsy nahatsiaro saina izy tonga tao amin’ny HJRA ny harivan’io androm-pifidianana solombavambahoaka io.

Notondroina ho merseneran’ny kandida depiote iray tao amin’ny Boriborintany faharoa nampiasa kara-pifidianana hosoka ity tovolahy ity, ka sendra kandida iray hafa isan’ny mpifaninana tao amin’ity Boriborintany ity, niaraka tamin’ny andian-tanora mpiaradia aminy. Nisy ny fampiasan-kery ka namparatra mafy ilay tovolahy dia izao niafara amin’ny fahafatesana izao.

Atao « autopsie » na fitsirihana izao tolakandro ny faty, hamantarana ny tena antony nitarika izao fahafatesany izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.