Mahajanga: Nametraka fitoriana ny vondron'ireo kandida 13

  • mercredi, 29 mai 2019 20:23
  • Zakaria
  • Sary nomena

Teo anivon'ny CENI Mahajanga no nametrahan'ireo kandida depiote miisa 13 amin'ireo kandida 15, ny fitoriana ny tolakandro teo.

"Tsy mankasitraka iny fifidianana solombavambahoaka feno hosoka iny izahay" hoy izy ireo.

Nisy mpomba azy ireo nilanja sorabaventy tonga nanohana ireto kandida ireto. Milaza izy ireo fa hitohy ny fitakiana.

Niatrana tsy lavitra teo ny mpitandro ny filaminana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.