Sakaraha: Notafihan'ny dahalo ny mpanatitra voka-pifidianana

  • mercredi, 29 mai 2019 17:17
  • Zakaria
  • Sary nomena

Lasibatra ny mpanatitra voka-pifidianana avy amin’ny Kaominina Bereketa sy Mikoboka, Distrikan’i Sakaraha. Omaly no nisehoan’ity fanafihana ity. Raha ny loharanom-baovao dia noteren’ireo olon-dratsy sady nambanana basy ireo delegen’ny kandida hanao sonia ny fitanana an-tsoratra fifidianana efa voaomana.

Manahy ny maro manoloana izao tranga izao ny mety hivadihan’ny voka-pifidianana solombavambahoaka aty Sakaraha.

Talohan’izao, ny harivan’ny alahady nialoha ny androm-pifidianana dia nisy tovolahy iray mpanohana kandida depiote, maty nisy namono.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.