Mpifidy tsy tao amin’ny lisi-pifidianana: Ireo antony telo nambaran’ny CENI

  • mardi, 28 mai 2019 15:59
  • Zakaria

Miaiky ny CENI fa naharay fitarainana maro ny mikasika ireo mpifidy tsy voasoratra tao amin’ny lisi-pifidianana. Antony telo no azo anazavana izany, hoy ny filoha lefitry ny CENI, Rakotonarivo Thierry.

Namafa avy hatrany ireo fisoratana anarana miverimberina ny « opération de dédoublonnage » izay nataon’ny CENI nefa kosa mitazona ny fisoratana anarana any amin’izay adiresy nisoratan’ilay mpifidy farany. Marobe amin’ireo mpifidy, hoy Rakotonarivo Thierry, no misoratra anaty lisi-pifidianana any amin’izay adiresy hafa ankoatra ny fonenany amin’izao fotoana.

Nisy koa ny « éclatement des bureaux de vote », na ny fampitomboana isa ireo biraom-pifidianana rehefa mihoatra ny 700 ny mpifidy hita ao aminy, izay mety nitarika fiovan’ny biraom-pifidianana nisoratan’ilay mpifidy.

Mety ho avy amin’ny hosoka sy halabato no nitarika ny mpifidy tsy voasoratra tao amin’ny lisi-pifidianana. Milaza ny CENI fa hanokatra fanadihadiana hamantarana izay tomponantoka tamin’ny fanesorana mpifidy tao anaty lisi-pifidianana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.