Fitaterana: Nidoboka iray volana an-tranomaizina ANDRIAMISATA Faly Nirina, saofera taxibe nanompa Polisy sy nanary mpandeha

  • jeudi, 16 mai 2019 08:17
  • Tigre
  • Sary nomena

Nivoaka omaly tolakandro ny didim-pitsarana tamin'ilay saofera nanompa polisy sy nanary mpandeha. 

ANDRIAMISATA Faly Nirina dia voasazy 1 volana an-tranomaizina sy lamandy 250 000 ariary, sazy mihatra avy hatrany.

Raha tsiahivina, dia mpamily taxibe niodina, ary nikasa anary mpandeha. Rehefa raikitra anefa ny sahotaka tanaty fiara dia nanompa ilay Polisy mpandeha ity mpamily, ka dia niantso ny namany ity polisy ary nanenjika sy nanakana ilay taxibe nirifatra, ka dia tratra tetsy Andavamamba, ary dia nogiazan'ny polisy 5e arrondissement ny mpamily sy ny fiara.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.