Fiaraha-miasa Madagasikara sy Inde: Hiompana be amin’ny angovo, ny fahasalamana, ny fambolena ary ny fampianarana ambony

  • mercredi, 15 mai 2019 21:47
  • Britto
  • Sary nomena

Hisy injeniera indianina roa momba ny angovo azo avy amin’ny masoandro ho avy eto Madagasikara, hanome fanofanana mikasika ny fampiasana « panneaux solaires ».

Hisy ihany koa teknisianina indianina momba ny fambolena hanampy amin’ny famokarana vary malagasy.

Misy ny fitaovana fanaovana « radiothérapie » amin’ny fitsaboana ny aretina homamiadana hotokanana atsy ho atsy.
Mpianatra malagasy maro ihany koa no misitraka vatsim-pianarana omen’i Inde ho an’ireo maniry hanohy fianarana any an-toerana.

Nivoitra ireo androany 15 mey 2019 nandritra ny nanoloran’ny masoivoho vaovao an’Inde, Abhay Kumar, ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.