Eddy Maminirina: Nandalo hopitaly dia naverina eny Tsiafahy

  • mercredi, 15 mai 2019 18:19
  • Britto
  • Tahirin-tsary

Mbola ao amin'ny fonjaben’i Tsiafahy i Eddy Maminirina, ilay tanora mpandraharaha fantatry ny maro tamin’ny solon’anarana « Eddy bois de rose » izay nosamborina tamin-kery nigagam-bahoaka teo amin’ny « parking » ny toeram-pivarotana goavana La City Ivandry-Antananarivo ny tolakandron’ny 12 febroary 2019.

Folo andro lasa izay dia nentina namonjy hopitaly i Eddy Maminirina, noho ny antony ara-pahasalamana, nandalo ihany izany fa naverina avy hatrany ao Tsiafahy taorian’izay.

Tazomina am-ponja vonjimaika ao Tsiafahy ihany koa i Mbola Rajaonah na « Mbola Tafaray », mpandraharaha sady mpanolontsaina manokan’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Tetsy Antsahabe – Antananarivo no nisamboran’ny Polisy azy ny tolakandron’ny 13 febroary 2019, raha iny nivoaka ny toeram-piasany iny izy.

Samy tsy mbola notsaraina izy roalahy ireto.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.