JIRAMA: Manohy hatrany ny fanatsaràna ny tolotra omeny ny mpanjifa

  • mercredi, 15 mai 2019 11:17
  • Britto

Maherin’ny roapolo ireo gropy vaovao naparitaka any amin’ny faritra nanomboka ny volana novambra 2018 ka hatramin’izao, mba hamahana ny olan’ny fahatapahan-jiro na delestazy, hoy ny JIRAMA.

Misy amin’ireo gropy no efa mamokatra herinaratra, misy kosa no mbola an-dalam-pametrahana azy, na mbola an-dalana mihitsy aza.

Tanàn-dehibe miisa 60, amin’ireo 115 vatsian’ny JIRAMA herinaratra no iharan’ny delestazy. Efa miha-maivana na voavaha tanteraka mihitsy izany olana izany any amin’ny faritra sasany taorian’ny fanapariahana ireo gropy vaovao ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.