Toamasina: Fanaovan-tsonia "Toky nomena" nataon’ireo kandida depiote

  • vendredi, 26 avril 2019 19:00
  • Zakaria

Tontosa omaly tao amin'ny Lapan'ny faritra Atsinanana, ny fanaovana sonia ilay "Toky nomena" ataon'ireo kandida solombavambahoaka teto Toamasina, nokarakarain’ny CFM sy ny CENI ary ireo mpamatsy vola.

Miisa 12 ny kandida eto Toamasina I, ka ny telo no tsy nanao sonia izany, teo Atoa Rakotomalala Henri izay nilaza fa tsy hanao sonia satria efa nisy fanomezan-toky nataony tamin'ny fametrahana firotsahan-kofidiana nataony, teo Atoa Botozaza Pierrot izay nambara fa tsy eto an-toerana ankehitriny, ary Rtoa Naharimamy Irmah izay niatrika famoahana andiana mpampianatra tao amin'ny Miramar tamin'io fotoana io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.