Vladivostok: Nihaona i Kim Jong-Un sy Vladmir Poutine

  • vendredi, 26 avril 2019 15:20
  • Tigre
  • Sary nindramina

Tontosa omaly alakamisy 25 aprily tany Vladivostok, Russie ny fihaonan'ny filoha Korea avaratra sy ny filoha rosianina.

Samy nilaza ny fahafaham-pony ny roa tonta tamin'ny fihaonana. Ny Filoha Vladmir Poutine moa dia nanome toky amin'ny fiarovana ny Korea Avaratra raha miroso tanteraka amin'ny fialana amin'ny fitaovam-piadiana nokleary i Korea avaratra.

Tsiahivina moa fa nangatsiaka ny fifandraisan'i Kim Jong-Un tamin'i Donald Trump taorian'ny fihaonana nandamoaka tamin'ny volana febroary tany Hanoï Vietnam farany teo, ka izao mitady namana hanohana azy izao i Kim Jong-Un.

Nanamarika izao fihaonana voalohany tamin'i Kim Jong-Un sy Vladimir Poutine izao ny fifanolorana mari-panajana, ka samy nanome sabatra avy ny roa tonta, ny an'i Poutine narahina tasy fisotroana dité ny sabatra.

Araky ny fandinihan'ireo mpandinika, dia fanambarana ny hery eo amin'ny roa tonta izao fifanakalozana sabatra izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.