EKAR NDL Ambatomiady - Antanifotsy: Notoloran'ny filoha Rajoelina mivady lakosoly be 250kg

  • lundi, 22 avril 2019 19:39
  • Zakaria
  • Sary nomena

Niara-nankalaza ny Paka niaraka tamin'ny mpino Katolika tao amin'ny EKAR Notre Dame de Lourdes Ambatomiady, ny filoha Andry Rajoelina mivady ny Alahady 21 aprily.

Distrika vaovao vao noforonina eto amin'ny Diosezin'Antsirabe Ambatomiady. Nanampy ny Kristianina teto tamin'ny fananganana trano Fiangonana i Andry Rajoelina, ary nanamafy izany ny fanomezany lakolosy goavana izay milanja 250kg ho an'ny EKAR Ambatomiady.

Nanome toky ihany koa izy fa hanolotra dabilio ho an'ny sekoly vaovao vao naorina eo an-tampon-tanànan’ny Kaominina Ambatomiady.
Toy izany koa ny hanafainganana ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’Antanifotsy sy Ambatomiady, izay ratsy dia ratsy tokoa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.