Toamasina: Rongony mahery vaika 40kg saron'ny Polisy

  • lundi, 22 avril 2019 19:24
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Toamasina

"Héroïnes" na rongony mahery vaika 40 fonosana amin'ny 01kg avy no tra-tehaky ny Polisin'ny FIP teto Toamasina io tolakandro io.

Niainga tao Sainte Marie ireo teratany afrikanina dimy lahy nitondra azy, anisany ireto roalahy amin'ny sary ireto. Natao anaty valizy roa ireo rongony mahery vaika

Androany tamin'ny 05ora maraina no niala tao Sainte Marie ny sambo kely "El Condor" nitondra azy ireo, ary tamin'ny 07ora maraina no nigadona tao Mahambo ary notsenaina fiara 4x4 marika Range Rover miloko volombatolalaka (gris), manana laharana roa.

Ny sampam-pitsikilovana CIS no nahazo ny vaovao, izy ireo no nampita izany tamin'ny ladoany, ary ireto farany nampilaza ny FIP, ka tratra teo amin'ny sakana fanaon'ny FIP tao Ambalamanasy ilay fiara androany tamin'ny 01 ora tolakandro ary natolotra ny ladoany.

Raha mbola nifanazava teo anefa ny mpiasan'ny ladoany sy ireto afrikanina dia mailo ireto farany ka nitsoaka nirifatra tamin'ny fiara saingy diso lalana ka tafiditra tamin'ny lalankely tsy nisy nivoahana tao Antseranampasika.

Tafatsoaka ihany izy dimy lahy na efa nifanenjehan'ny FIP aza, saingy tavela ireo valisy roa nisy ilay "héroïnes" mitentim-bidy 8,4 miliara Ariary.

Re io hariva io fa ho avy eto Toamasina ny Praiminisitra miaraka amina minisitra roa, ary ny Tale jeneraly vaovaon'ny ladoany rahampitso talata momba ity raharaha.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.