Fitsapankevi-bahoaka: Miantso ny mpisehatra politika mba ho tan-dalàna ny KMF/CNOE

  • lundi, 22 avril 2019 18:30
  • Zakaria

Naneho ny heviny KMF/CNOE eo anatrehan'ny didim-panjakana laharana 2019-790 izay noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny Zoma 19 aprily 2019 teo, manaika ny mpifidy handatsa-bato ho Fitsapankevi-bahoaka hanitsiana ny Lalampanorenana malagasy. Mampahatsiahy sy miantso ny mpisehatra politika rehetra ho an'ny Firenena, ny KMF/CNOE "Fanabeazana olom-pirenena" mba hanaja ny lalàna velona amin'ny mety ho fanatontosàna, na tsia, izany "Fitsapankevi-bahoaka" izany.

Tany tan-dalàna no tiantsika hisy eto, hoy hatrany ny KMF/CNOE koa "mihevitra izahay fa mahasoa kokoa ny fanarahana ny lalàna velona, ka hahatontosan’ny fifidianana solombavambahoaka tsy ho ela, sy ny mety hanatanterahana ny Fitsapankevi-bahoaka amin'ny fotoana mety, manaraka ny fepetra voalazan'ny lalàna sy nakana ny hevitry ny hery velona eto amin'ny tany sy ny firenena".

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.