Fenoarivo Atsinanana: Mpanao vakansy telo mianaka natelin'ny ranomasina

  • lundi, 22 avril 2019 18:07
  • Zakaria

Avy any Antsirabe izy ireo, tovovavy 14 taona sy 17 taona ary ny rain'izy ireo, no tonga hiala sasatra taty Fenoarivo Atsinanana no izao tra-doza izao.

Tao Ampasipotsy no niseho ny loza ny alahadin'ny Paka atoandro.

Nentin'ny onja teny afovoan'ny ranomasina ireto tovovavy. Niantso vonjy izy ireo rehefa tsy nahatohitra ny rano hiverina. Namonjy azy ireo ny rainy kinanjo niara-natelin'ny ranomasina izy telo mianaka.

Omaly tamin'ny 02 ora tolakandro no hita ny nofo mangatsiakan'izy roa vavy, efa alina kosa vao hita ilay Raim-pianakaviana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.