Ambatomirahavavy (RN1) : Fanafihana miaro fanolanana, dimy lahy voasambotra

  • jeudi, 18 avril 2019 11:49
  • Zakaria

Mbola olombelona manam-panahy ihany ve no mahavita an’izao ? Notafihan’ny andian-jiolahy mitam-piadiana ny tokantrano iray alin’ny talata teo. Tsy nijanona tamin’ny fandrobana vola sy fananana ireto dimy lahy nanatontosa ny fanafihana, fa niitatra tamin’ny fanolanana tambabe ny renim-pianakaviana sy ny zanany vavy 22 taona. Notanterahin’ireo jiolahy teo imason’ny raim-pianakaviana izay marary eo am-pandriana.

Ny alin’io fanafihana io ihany dia nisy jiolahy voasambotry ny Fokonolona ary nitohy omaly izany niaraka tamin’ny Zandary Ambatomirahavavy. Voasambotra avokoa izy dimy lahy, izay misy avy any Ampitatafika Antananarivo Atsimondrano ny sasany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.