Orinasa « Base Toliara » : Nisy nandroba sy nandoro ny toeram-piasany tao Ranobe Toliara II

  • jeudi, 18 avril 2019 11:45
  • Zakaria

Nitsoaka nanavotr’aina sisa azon’ny mpiasa natao nanoloana ny firodorodon’ny andian’olona nanafika sy nandroba ary nandoro ny toeram-piasany tao Ranobe omaly misandratr’andro. Nanapoaka basy ny mpitandro ny filaminana mba hanaparitahana ny olona fa tsy nampihemotra ireto farany izany. Maro ny zavatra simba.

Mitrandraka fasimainty amin’iny faritra iny ny « Base Toliara » na « Toliara Sands » nahafantarana azy teo aloha. Tamin’ny 2012, fotoanan’ny tetezamita, no nahazoany ny fahazoan-dalana ho amin’izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.