Fanafihana ny Brinks: Telolahy nidoboka eny Tsiafahy

  • jeudi, 18 avril 2019 11:36
  • Zakaria

Ny tompon’ilay moto BW’S manga nampiasain’ireo jiolahy nanafihana ny fiara mpitondra vola an’ny orinasa Brinks teny Amoron’Ankona By-Pass ny iray, ilay rangahy, izay niparitaka tamin’ny facebook ny sariny, nitsimpona maimaika ny finday nampiasain’ireo mpanafika ka latsaka teo amin’ny arabe ny faharoa, izay fantatra fa mpiasan’ny Jovena. Ny fahatelo kosa voalaza fa mpiray tsikombakomba tamin’iny fanafihana iny.

Izy telolahy ireo, ankoatra ny roa maty voatifitra, no tena mifandringotra amin’iny raharaha iny raha ny fanazavan’ny Zandary niandraikitra ny fanadihadiana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.