Tovovavy hita faty teny Ambohimanga: Nosamborin’ny Zandary ny sakaizany, ahiana ho nahavanon-doza

  • vendredi, 12 avril 2019 11:50
  • Britto
  • Sary: ZP

Tovovavy iray, 21 taona, avy any Ambohimangakely - Antananarivo Avaradrano no hita faty novonoina teny Ambohimanga Rova Antananarivo Avaradrano andro vitsy lasa izay.

Nanao ny fikarohana ny Zandary avy ao amin'ny Brigade Ambohimanga Rova izay niara-niasa akaiky tamin'ireo fianakaviana.

Taorian'ny fitsirihana natao tamin'ny finday nampiasain'ilay tovovavy dia hita ny trano fonenan'ilay lehilahy sakaizany ary fantatra araka izany koa ny mombamomba azy rehetra.
Tsy tratra tao an-tranony moa ilay tovolahy ny 11 aprily 2019 ka nojerena teny amin'ny orinasa iray eny Ambohidratrimo ka noraisina fotsiny tao ary notanana natao andrimaso hofotorana.

Hatolotra tsy ho ela ny Fampanoavana ny raharaha.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.