Maroantsetra: Gadra nitsoaka, 1 matin'ny Fokonolona, 3 azo sambobelona

  • jeudi, 11 avril 2019 17:46
  • Britto
  • Sary: Polisim-pirenena

Voasambotra androany ny telo tamin'ireo voafonja enin-dahy nandositra ny alin'ny talata 9 aprily. Matin'ny Fokonolona kosa ny iray.

Mitohy ny fikarohana ireo roalahy ambiny.

Mitaky amin'ny mpitondra fanjakana ny mponina ny hanaovana peta-drindrina sy fanelezana amin'ny haino aman-jery sy tambazotra sosialy ny sarin'izy ireo anafaingana ny fisamborana azy.

Leom-boananana ny mponina aty Maroantsetra taorian'ireny zava-nitranga nahamaizana tranona polisy maro teto an-toerana ireny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.