Tohana ara-bola : Nahazo 155 miliara Ariary tamin’ny FMI i Madagasikara

  • lundi, 25 mars 2019 10:06
  • Britto

« Facilité élargie de crédit (FEC) », vola fanome ny tany mahantra indrindra ity nankatoavin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena na FMI an’i Madagasikara ity, vola mitentina 43,8 tapitrisa dolara na 155 miliara Ariary eo ho eo.

Itony karazana famatsiam-bola itony moa dia vola notrosaina ary averina. Vola amatsiana ny fitanilan'ny fitantanam-bola, izay betsaka ny mivoaka noho ny miditra, betsaka ireo trosa tsy voahefa, ka anentsenana ny banga.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.