Betioky-Atsimo: Ramanjakamiadana Hery Jacques no natolotry ny antoko TIM

  • lundi, 18 mars 2019 22:44
  • Britto
  • Sary nomena

Telo ny kandida hifaninana ho solombavambahoaka eto Betioky-Atsimo, avy amin’ny antoko ny roa, tsy miankina ny fahatelo.

Ramanjakamiadana Hery Jacques no natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), hifaninana amin’ny depiote teo aloha Rabenirina Jean Jacques, narotsaky ny vovonana Isika miaraka amin’i Andry Rajoelina.

Nandeha ankehitriny ny feo fa nisy ny tsindry mba hanilihana ireo kandida ivelan’ny fitondrana, rahampitso talata 19 martsa, mandritra ny famoahan’ny CENI ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra no ahafantarana izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.