Tsaratanana: Zandarin’ny FIGN iray lavo an’ady

  • lundi, 18 mars 2019 22:25
  • Britto
  • Loharanom-baovao ZP

Lavo nandritra ny fifandonana tamin'ny dahalo ny 18 martsa 2019 tamin'ny roa ora sy sasany maraina tao Antsirasira, CR Betrandraka, Distrika Tsaratanana ny Gendarme Stagiaire Rakotomalala Dera Théogène, avy ao amin'ny EP3 FIGN Antananarivo.

Nandre vaovao mikasika dahalo mpangalatr'omby ny Zandary tao amin'ny Brigade Andriamena ka nandefa Zandary maromaro, izay mbola nampian'ireo avy amin'ny FIGN efa nalefa taloha any an-toerana. Teny an-dalana ho any Antsirasira izy ireo no nisy tifitra nanakan-dalana azy ka lavo Ratompokolahy raha voa teo amin'ny lohany.

Tsy nijanona teo ny asa fa raikitra ny fifanenjehana, izay nitohy tamin'ny fifandonana teo amin'ny roa tonta ka vaky nandositra ireo dahalo. Tavela teo noho izany ny basy FC miisa telo sy basy poleta iray nampiasain'ireo dahalo. Dahalo iray izay isan'ny mpitarika azy ireo koa no lavo. Tsy zakan'izy ireo koa ny omby halatra miisa 45 ka dia nentin'ny Zandary niverina avokoa.

25 taona Ratompokolahy izao namoy ny ainy izao, ho fiarovana ny mpiray Tanindrazana aminy sy ny fananany. Tsy mbola nanam-bady kosa izy. Ny fianakaviam-ben'ny ZP dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana mana-manjo.

(Loharanom-baovao ZP)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.