Fifidianana depiote: Rahampitso no havoakan’ny CENI ireo lisitry ny kandida nahafeno fepetra

  • lundi, 18 mars 2019 20:12
  • Britto

Mandritra ny valandresaka hataon’ny CENI etsy Nanisana-Antananarivo V, rahampitso talata 19 martsa, no hamoahan’ny CENI ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hifaninana amin’ny fifidianana solombavambahoaka hotanterahina amin’ny alatsinainy 27 mey 2019.

Afaka manao fitarainana, ao anatin’ny 48 ora, any amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ireo voahilika. Manana 24 ora ny HCC hamoahany fanapahana mikasika izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.