Andapa: Kandida depiote tsy miankina i Rabenary Jean

  • lundi, 11 mars 2019 12:17
  • Britto
  • Sary nomena

Ben’ny Tanànan’ny Kaominina ambanivohitra Ambalamanasy II, Distrikan'Andapa, i Rabenary Jean, nahavita taom-piasana roa tao. Handray fiaingana amin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza izy.

Androany Alatsinainy 11 martsa no tonga nametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kodidiany teny amin’ny OVEC Andapa izy sy ny mpiaradia aminy.

Kandida mahaleotena na tsy miankina i Rabenary Jean amin’izao firotsahany izao, hiatrehany ny safidim-bahoaka amin’ny 27 mey 2019. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.