Oniversite Antananarivo: Tanterahina anio ny fifidianana filoha sy mpitantana sampam-pianarana

  • lundi, 11 mars 2019 12:11
  • Britto
  • Sary nindramina

Telo ny kandida hifaninana ho filoha, dia Pr Mamy Ravelomanana, avy amin’ny fakioltean’ny toekarena, fitantanana ary ny sosiolojia, Pr Richard Ranarivony, avy ao amin’ny fakioltean’ny siansa mahaolona sy ny teny aman-tsoratra, ary Pr Luc Hervé Samison, avy amin’ny fakioltean’ny fitsaboana.

2 245 ny isan’ny mpifidy andrasana handatsa-bato, ka mpampianatra mpikaroka ny 887, ary mpiasa ny 1 358. Nanomboka tamin’ny 8ora maraina ny latsa-bato ary hifarana amin’ny 3ora tolakandro. Anio amin’ny fiafaran’ny tolakandro any ihany dia ho fantatra ny voka-pifidianana.

Izay filoha voafidy eo no handimby toerana an’i Pr Panja Ramanoelina, izay tsy nirotsaka intsony fa efa nahavita taom-piasana roa.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.