Tsaratanàna: Kandida hanatitra dosie any amin’ny OVEC nisy naka an-keriny

  • lundi, 11 mars 2019 12:04
  • Britto

Ny eo tsy votsotra, ny hafa nisy naka an-keriny. Lasibatry ny mpaka an-keriny ny lehiben’ny DREN Betsiboka teo aloha, izay kandidan’ny vovonana « Isiraka rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina » aty Tsaratanana, amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao amin’ny 27 mey 2019.

Teny an-dalana nanao taingin-droa tamin’ny moto, 20km tsy hahatongavana aty Tsaratanàna, no nisy naka an-keriny izy ny alin’ny alahady hifoha ity alatsinainy 11 martsa ity, ary lasan’ireo olon-dratsy hatramin’ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana tany aminy.

Zazakely 6 taona no mbola eo ampelan-tanan’ny mpaka an-keriny efa herinandro izao, nataon’izy ireo takalonaina. Ny iray maty notifirin’ireo mpaka ankeriny, ny roa tafatsoaka ary io zazakely io no mbola tavela any amin’izao.

Manao fitsongoana dia, hanavotana azy ny mpitandro ny filaminana amin’izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.