Fiaramanidina Ethiopian Airlines: Nidoboka tany Etiopia, maty avokoa ny mpandeha sy mpanamory

  • dimanche, 10 mars 2019 18:52
  • Tigre
  • Sary nindramina

Niainga io maraina io tamin'ny 8ora38minitra, ora tany an-toerana ny fiaramanidina Boeing 737 n'ny kompania Ethiopian Airlines, mampitohy an'i Addis Abeba Ethiopie amin'ny Nairobi Kenya.

6 minitra monja taorian'ny fiaingana dia niantso ny mpanamory fa tsy milamina ny ara-tekinikan'ny fiaramanidina, ka nangataka ny hiverin-dalana izy. Nanome alàlana ny hiverenany ny teo amin'ny mpikarakara ny fifamoivoizana anabakabaka.

Tsy tafaverina anefa ny fiaramanidina, fa avy dia tsy hitan'ny radara intsony.
Tsy naharitra ela dia hita ny fiaramanidina nidoboka 60km tsy lavitry ny seranam-piaramanidina.

Maty avokoa ireo mpandeha 149 sy ireo mpanamory 8 tao anaty fiaramanidina.
Avy aminn'y Firenena 32 ireo rehetra tao anaty fiaramanidina samy namoy ny ainy izao.
Marihina moa fa fiaramanidina vaovao, latsaky ny enim-bolana no nahazoana izao fiaramanidina Boeing 737 izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.