Fandriana: Kandida efatra no efa nametraka firotsahan-kofidiana

  • dimanche, 10 mars 2019 18:41
  • Britto

Efa nametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiany teo anivon'ny OVEC Fandriana ny depiote teo aloha Toto Lydia. Nirotsaka amin'ny Tsimialonjafy izy tamin'ity, raha tamin'ny vondrona MAPAR no nahavoafidy azy tamin'ny 2014.

Hasimpirenena Rasolomampionona, Tale jeneralin'ny fananantany teo aloha, no kandidan'ny vovonana "Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina".

Nirotsaka hofidiana depiote ihany koa i Razanatsialonana Narijaona, Ben'ny Tanànan'i Tsarazaza. Amin'ny anaran'ny fikambanana FFF (Firaisankinan'i Fandriana sy Fisakana) no irotsahany.

Kandida tsimiankina i Raharimalala Vololonjanahary Anicette.

Ny 12 martsa 2019 amin'ny 5 Ora hariva no fara-fandraisan'ny OVEC ny antotan-taratasy firotsahan-kofidian'ireo kandida ho solombavam-bahoaka, fifidianana hotanterahana amin'ny alatsinainy 27 mey 2019.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.