Genève Suisse: Hitodi-doha any Alzeria i Abdelaziz Bouteflika

  • dimanche, 10 mars 2019 18:06
  • Tigre
  • Sary nindramina

Nigadona io atoandro io, tao amin'ny seranam-piaramanidina Cointrin ao Genève ny fiaramanidina manokan'ny filoha alzerianina, Abdelaziz Bouteflika.

Mpitandro ny filaminana maro no avy hatrany no tazana nandray ity fiaramanidina ity.

Vinaniana andeha haka ity filoha 82 taona, nitsabo tena tany Genève ity fiaramanidina ity.

Ireo Alzerianina moa dia maro no nitsipaka ny filatsahany ho fidiana fahadiminy amin'ity toerana maha filoha azy ity, nidina an-dalambe mihitsy ny maro na ny tao Alzeria, na ny tany Frantsa.

Atao ny 18 aprily izao moa ny fifidianana fihodinana voalohany, ary efa nilaza ity filoha ity fa hijanona heritaona ihany izy hametraka ireo rafitra hanarenana an'i Alzeria, izay tsy hinoan'ny maro fa ny hifikitra eo hatrany no fahitan'ny maro azy, ary ampiasa ny fahefam-panjakana hitazonana sy handresena amin'ny fifidianana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.