Dadi Love : « Tsy kandida solombavambahoaka aho »

  • dimanche, 10 mars 2019 11:56
  • Britto
  • Sary nindramina

Naneho ny heviny tamin’ny horonan-tsary « vidéo » i Dadi Love, ny 9 martsa, manoloana ny resaka niely tamin’ny facebook fa ho kandida solombavambahoaka ao Antsohihy amin’ny anaran’ny vovonana « Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina » izy. Nahitsy ny tenin’ity mpihira ity fa tsy mbola manan-kevitra ny hirotsaka hofidiana solombavambahoaka mandray karama izy, fa hanohy ny asa maha mpanakanto azy aloha.

Hankalaza ny faha-10 taona ny tarika Dadi Love amin’ity 2019 ity, araka ny fanazavany hatrany. Maromaro ny hira hivoaka ato ho ato, ary rindran-tsary (clip) miisa sivy eo no hovokarina hanamarika io vanimpotoana io.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.