Venezuela: Tapaka tanteraka ny jiro

  • samedi, 09 mars 2019 09:16
  • Tigre
  • Sary nindramina

Jiro, seranam-piaramanidina, fifandraisana, telefonina, hopitaly, banky, fitaterana, rano, métro, samy mikatso avokoa. Maro ireo vaky trano manararoatra.

Mifanilaka ny roa tonta mpifanandrina, ny mpitondra Maduro milaza fa ny Amerikanina miaraka amin'ny mpanohitra Juan Guaido no manao sabotazy, ny mpanohitra kosa milaza fa ny fitondran''i Maduro no tsy manjary ka tsy vita intsony ny fikarakarana ny fotodrafitrasa.

Samy miantso ireo mpomba azy avy moa androany ny roa tonta hidina an-dalambe.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.