Oniversiten'i Fianarantsoa: Voafidy fanindroany ho filoha i Pr Rafamantanantsoa Fontaine

  • mardi, 05 mars 2019 09:16
  • Britto
  • Sary nindramina

Kandida roa no nifaninana ho filohan’ny Oniversiten'i Fianarantsoa tamin’ny fifidianana notontosaina ny alatsinainy 4 martsa. Nomen’ny mpifidy fitokisana hanohy ny fitantanana ny Oniversiten'i Fianarantsoa ny filoha teo aloha Pr Rafamantanantsoa Fontaine.

Centre Universitaire Régional (CUR) no niandohan’ity Oniversiten'i Fianarantsoa ity tamin’ny 1977-1978 ary taty amin’ny taona 1988 no lasa Oniversite amin’ny endriny ankehitriny.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.