Oniversite: Mifidy izay ho filoha sy Sojabe

  • lundi, 04 mars 2019 14:04
  • Britto

Manomboka anio ny fifidianana ny filoha sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny hitantana eny amin’ny oniversitem-panjakana. Ho an’ny oniversiten’Antsiranana izao dia misy roa ny kandida ho filoha, dia Pr Abdoul Fatah, izay Sojaben’ny fakioltean’ny siansa, sy Pr Ratsaramody Justin, ilay lefitry ny filohan’ny oniversite hodimbiasan-toerana, Pr Manorohanta Cécile. Roa ihany koa ny kandida filoha ho an’ny oniversiten’i Fianarantsoa ka anisany ny filoha amperinasa Pr Rafamantanantsoa Fontaine.

Amin’ny 11 martsa kosa no hotanterahina ny fifidianana ho an’ny oniversiten’Antananarivo. Telo ny kandida dia Pr Richard Ranarivony (Faculté des Lettres et Sciences Humaines), Pr Luc Hervé Samison (Faculté de Médecine) ary Pr Mamy Ravelomanana (Faculté d’Économie, de Gestion et de Sociologie).

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.