Ivato-Ambositra: Vato kristaly 28 taonina tsy nisy taratasy ara-dalàna

  • lundi, 04 mars 2019 08:01
  • Zakaria

Avy any Ambatofinandrahana ary ho entina ao Antananarivo ireto vato ireto, nentina tamina kamiao roa, no sarona tamin’ny fisavana nataon’ny Zandary teo Ivato Centre rehefa nahazo fampilazana mialoha ireto farany.

Tsy nisy taratasy ara-dalàna ny nitondrana ireto vato ireto, mety saika hanararaotra ny fampihatonana ny fisavana taratasin’ny fiara ataon’ny Police de la Route.

Tazomina ao Ambositra miandry ny « Police des mines » hanao ny fanadihadiana ireo vato.

Olona iray koa no notazomina raha saika hanao kolikoly tamin’ny Zandary hamotsorana ireo vato ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.