Lozam-pifamoivoizana RN3b: Roa mianadahy handeha hivavaka maty nofaohin'ny fiara

  • dimanche, 03 mars 2019 17:54
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Sambava

Raha niainga avy tao Ambohimanarina i Elisco sy Elisna, nanao taingin-droa tamin'ny moto handeha hamonjy fotoam-bavaka any Manantenina dia indrisy fa tra-doza vao 1km niaingana. Nifanehitra tamin'ny taxi-brousse avy tao Maroambihy izay handeha hosasaina ny moton'izy mianadahy.

Maty tsy tra-drano teo ilay tovolahy, fa ny anabaviny kosa maty teny an-dalana raha nentina hovonjena tany amin'ny hopitaly Andapa ka voatery niveridan-dalana.

Mampiteny ny moana ny lozam-pifamoivoizana amin'ity lalam-pirenena RN3b mampitohy an'Andapa amin'i Sambava ity.

Tamin'ny volana febroary nivalona teo izao dia nisy tranga roa, ny iray zaza vao 13 taona maty nofaohin'ny taxi-brousse tao Ampampamena. Vao nandevina azy dia niseho koa ny loza tao Ambohimalaza ka namoizana aina tovolahy iray nitondra moto.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.