TVM: Miantso vonjy i Karen

  • samedi, 02 mars 2019 17:34
  • Tigre
  • Sary nindramina

Afaka ora iray mahery eo dia tokony hanolotra vaovao amin'ny teny frantsay i Karen.

Izy anefa tsy mpanao gazety, fa Présidente Comité Miss Madagascar.

Ny fanaon'ny TVM anefa dia izay manolotra ny vaovao no manao ny fandikan-tenin'ireo vaovao tamin'ny teny malagasy.

Niantso ny Sekretera jeneralin'i ministera anefa i Karen fa tsy vitany izay fandikan-teny izay, nefa ny mpiasa tsy misy miasa sabotsy avokoa.

Ny teknisianina manao ny enregistrement n'ny vaovao France24, fakana ny vaovao avy any ivelany anefa tsy miasa avokoa.

Izao moa dia vokatry ny fandikan'ny zinga ny rano hatrany, ny mpanolotra fandaharana miantso mivantana ny kabinetran'ny minisitra, toy ny tsy misy tale ao amin'ny TVM. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.