Tolagnaro: Nirotsaka kandida depiote i Razafindramaro Tanjaniaina Julio Pierrot, lehiben'ny Faritra Anôsy teo aloha

  • vendredi, 01 mars 2019 17:29
  • Britto
  • Sary nindramina

Izy no kandida voalohany tonga nametraka ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiana ho solombavambahoaka ato amin’ny Distrikan'i Tolagnaro.

Androany marainan’ny zoma 1 martsa no nametrahan’i Razafindramaro Tanjaniaina Julio Pierrot ny dosieny tao amin’ny OVEC Tolagnaro, notronin’ireo mpiray lisitra sy mpanohana azy.

Anisany nafana fo tao amin’ny antoko HVM ity lehiben'ny faritra Anôsy teo aloha ity, fa amin’ny tsy miankina no hirotsahany amin’izao fifidianana izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.