Fifamoivoizana: Naato ny fisavana taratasy ataon’ny Polisim-pirenena eny an-dalana

  • jeudi, 28 février 2019 14:47
  • Britto
  • Sary fanehoana net

Nanamafy ny minisitry ny filaminana anatiny Contrôleur Général de Police Rafanomezantsoa Roger ary nitondra fanampim-panazavana, nandritra ny fiankevitry ny minisitra omaly, fa naato fa tsy nofoanana akory sanatria ny fisavana ireo antotan-taratasy mikasika ireo fiara mivezivezy manerana ny tanin’ny Repoblika, fiatoana izay natao hitadiavana ny vahaolana matotra sy mafonja manoloana ny ady amin’ny fahalovana sy ny kolikoly.

Izany no natao, hoy hatrany ny fanazavany, dia handrindrana ny fiaraha-miasan’ny Polisim-pirenena sy ny mpampiasa ny lalana ary hanadiovana ihany koa ny fianakaviam-ben’ny Polisy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.