Trangam-piarahamonina: Zazalahy kely 11 taona avy Andapa hita aty Sambava

  • mercredi, 27 février 2019 13:50
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Sambava

Andriamampianina Najah, teraka ny 08 jona 2008 tao Andapa, mpianatra ao amin'ny EPP Andapa Sud, taona faha-7 hiatrika CEPE amin'ny faran'ny taona, zanak'i Haja Honoré Jhone Love sy Rakalady Christine ity zazalahy nivenjivenjy ity.

Antony nandosirany ny tokantran-dRay aman-dreniny, hoy izy nitantara, dia nandritra ny fotoana fakan-drivotra raha iny nilalao mifanenjikenjika niaraka tamin'ny hazo kely iny izy ireo, dia tampoka teo nahavoa ny namany ny hazo teny an-tanany ka tafatsofoka tamin'ny oron'ilay mpianatra namany ilay hazo kely ary naratra.

Nentin'ny tahotra i Najah ka ny hevitra hitany dia nandositra, ary izao tonga aty Sambava efa hatramin'ny alatsinainy 25 febroary 2019 tolak'andro.

Androany maraina izy nisy nahita mitolefika teo amoron-drano no indro nanatona azy ireto ankizy maromaro sendra nilalao tamin'iny faritra iny. Isaky ny manontany azy ireto ankizy ireto hoe : inona no manjo an'ilahy dia mitomany foana i Najah. Efa ela vao afaka niteny kely ny momba azy izy.

Nisy nampandre ny avy amin'ny Sampandraharahan'ny mponina ary ity farany ity nampanantena fa hanao araka izay fomba haingana mba hahitana ny Ray aman-drenin'ity zaza nitsoaka ny tokan-trano ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.