Morondava: Roa andro aty aoriana vao hita ilay tovolahy natelin'ny ranomasina

  • mardi, 26 février 2019 21:13
  • Britto
  • Sary nomena

Tovolahy, vao 20 taona, mpianatra any Antananarivo, antsoina hoe Tsilavina no lasan'ny ranomasina teo amin'ny torampasik'i Nosy Kely-Morondava tamin'ny alahady teo, tokony ho tamin'ny 4ora tolak'andro, ary tsy hita mihitsy raha tsy androany maraina be.

Andiana mpihaza (mpanjono) nandeha vao maraina no nahita azy teo amin'ny vavaranon'i Kimony, ary ireo no nampiakatra azy tety an-tanety, ary niantso ny prezidan'ny Fokontany, ka ity farany indray no nampahalala ireo fianakavian'i Tsilavina aty Morondava.

Efa nanao ny ezaka rehetra ihany ny Fokonolona tao Nosy Kely, Betania, Avaradrova, Kimony miaraka tamin'ny Prezidan'ny Fokontany ary ny fianakaviana nitady azy nanomboka tamin'ny alahady hariva sy omaly tontolo fa tsy nahitana vokany, eny, efa nanakarama vedety sy lakana hitady azy fa tsy nahitana vokany izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.